Vaky trano : Lehilahy nahatrarana 12 tapitrisa Ariary

Voasakan’ny zandarimaria teny an-dalana ny lehilahy iray tompon’atoka tamin’ny vaky trano nahaverezana vola an-tapitrisany tao Betaimboay, distrikan’i Kandreho, afakomaly. Norobain’ny olon-dratsy ny tokantrano iray tao amin’io tanàna io. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny lasibatra ary nitoroka ny olona nahavanon-doza. Nitondra moto cross nandositra ilay lehilahy. Nanao fanakanan-dalana avy hatrany ny zandarimaria ary nisava ireo mpivezivezy. Nifanehatra tamin’izy ireo tokoa ny lehilahy iray nitondra moto. Natao ny fisavana ny entana teny amin’io olona nahiahina io. Nahatrarana lelavola mitetina 12 795 700 Ar teny aminy. Nihazona vola 219 yuan koa izy ary niampy 1 dolara. Nasitriny tao anaty kitapo ny ravim-paraky 2 kg. Nikasa hanao kolikoly tamin’ny zandary nanao fisavana azy io lehilahy io. Notambazany vola ireo mpitandro filaminana mba hahafahany mandositra. Tsy nanaiky izany ny zandarimaria, izay nanao ny asany ara-dalàna. Nentina eny anivon’ny birao natao fanadihadiana io mpangalatra io. Nogiazana avokoa vola rehetra sy ny entana halatra teny aminy. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: