Manoloana ny zava-nisy nandritra ny hetsika Gen Z, sy ny fandrobana hita tao amin’ny Tanànan’i Mahajanga, ny 26 septambra lasa teo. Tonga taty an-drenivohitra, nilaza ny zava-nitranga tany an-toerana, Rakotomalala Jerôme, omaly. Nitantara izay fahoriana lalina nianjady taminy izy. Voalazany fa namoy zanaka iray ny fianakaviany, tamin’ny fahalasanan’i Tanjona.
Nomarihiny fa tsy mpitokona, sady tsy mpandroba na mpangalatra Ratompokolahy, fa havana mba manao fialantsasatra ao amin’izy ireo. Raha ny fitantarany, maty nisy nitifitra i Tanjona, raha sendra mba nivoaka ny trano, niaraka tamin’i Rico, izay vavolombelona nitantara ny tranga nahafaty an’ity lehilahy ity.
Mbola nohamafisiny hatrany, fa olona avy eto an-dRenivohitra ity nodimandry ity, ary tsy niditra tamin’ilay resaka savorovoro mihitsy. « Manao antso avo ihany koa izahay, mba hisokafan’ny fanadihadiana mahakasika ny tranga nahafaty ilay zanakay. Aminay, efa famonoana mihitsy izy io, fa tsy tongatonga ho azy. » hoy hatrany Rakotomalala Jerôme. Araka izany, mangataka fanonerana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo, noho ny banga navelan’ity tovolahy iray ity. Mangataka ny hanaovana fanadihadiana izay nitifitra ny zanany ihany koa.
F.R




