Voasambotry ny polisy nanao hetsika « Anti-pillage » ny roa lahy nisandoka ho mpitandro filaminana teny Anosy Avaratra, ny alin’ny alakamisy 2 oktobra teo. Niara-niasa manoloana ny fisian’ny olon-dratsy mpanararaotra mandroba amin’ ny alina ny eo anivon’ny CRFip Anjozorobe sy ny Brigade anti-pillage ao Anosy Avaratra. Nifanena tamin’ny lehilahy roa nanao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo. Nasaina nijanona ireo olona ireo saingy nandositra avy hatrany vantany nahatazana ny polisy. Nifanenjehana izy roa lahy ka tratra. Natao ny fisavana azy ireo kanefa tsy nahitana karatra manamarina ny maha mpitandro filaminana azy. Nosavaina ny trano fonenany ary nahitana akanjo fanamian’ny Tafika. Nentina natao famotorana ireo mpisandoka ireo. Nogiazana avokoa ireo fanamiana sarona teny amin’izy mirahalahy. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Tsiahivina, voararan’ny lalàna ny fanaovana akanjo mitovy loko sy maka tahaka ny fanamian’ny mpitandro filaminana. Ahazoana sazy henjana izany.
Tsiferana R.




