Miantso ny vahoaka malagasy ho tony hatrany, manoloana ny zava-mitranga eto anivon’ny firenena, ny EmmoNat, araka ny fanazavan’ny mpitondra teniny, omaly. Maneho ny fijoroany hiaro hatrany ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Firosoana amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny andavanandro manerana ny Nosy no tokony imasoan’ny vahoaka ho azy ireo. Manoloana ny fitangoronana izay tsy nahazoana alalana kosa, sokajian’ny EmmoNat ho fandikan-dalàna izany ary andrasain’izy ireo fepetra avy hatrany. Arovana manokana ny toerana saro-pady toy ny toeram-pianarana sy ny toeram-pitsaboana hisorohana ny fanararaotana sy fandrobana ataon’ ny hafa. Taorian’ny fivoriana nataon’ny OMC Rezionaly sy ny EmmoNat, manentana hatrany ny olom-pirenena rehetra hanaraka hatrany ny toromarika napetraka izy ireo. Notsindrin’ ny kaomisera mpitondra teny fa laharam-pahamehana ho an’ny EmmoNat ny fiaravona ny vahoaka sy ny fananany. Marihina, miezaka manao ny andrimasom-pokonolona hitandrona ny filaminana ny vatan-dehilahy eny anivon’ny fokontany maro eto an-dRenivohitra, taorian’ny sakoroka ny alakamisy 25 septambra lasa teo. Anisan’izany ny faritra Andrianalefy, fokontany Androhibe, Boriborintany fahadimy.
Tsiferana R.




