Tsy ampy fanetren-tena ny olona! Izay no azo hamehezana ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Toa samy mandeha mijonjorombona fotsiny arakaraka ny toetoe-pony. Manao izay mahafalifaly sy maka ambiansy araka ny fahitany ny zava-mitranga. Hatreto, tsy voafaritra mazava ny tena tanjona iraisana, samy mandeha samy mitady aloha.
Izato zatovo mpanao fitakiana moa dia samy mitondra ny lohany. Misy ny mandeha miankavia, maro no miankavanana. Mbetika hitady vahaolana amin’ny fanendrena praiminisitra, mbetika tsy hanao indray. Rehefa anontaniana, toa samy manana ny heviny izy ireo. Ao ny te hihavana avy hatrany. Misy ny mbola miandriandry raha handroso na tsia.
Ny mpiasam-panjakana sy ny mpitolona sasany indray, tonga dia any am-bovonana. Nampirimina ny fitakiana momba ny olana sosialy. Navadika politika avy hatrany ny resaka. Tonga dia miala i ranona, ravao izatsy. Tena hoe tsy misy indrafo fa mihazakazaka amin’ny fandravana ny efa, hitondrana fanovana, araka izay heveriny.
Misy indray ny sokajy hafa, toa litika amin’ny fidinana an-dalambe. Kivy amin’ny tsy fananana sy ny krizy vaovao mipoitra. Mamotika ny andavanandrom-piainan’izy ireo ny kivorivory sy ny kilalao fanenjika ifanaovan’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Efa mihakinkina ny paosy sy ny aty vilany. Miha mahantra ny olona efa mahantra.
Manoloana izany, tiana ihany ny misintona lakolosy tsimoramora. Sao sanatrian’ny vava ho mpitsabo aorian’ ny fahafatesana eto Ramalagasy. Mbola misy ny zotra mety iarahan’ny besinimaro, migoaka tombontsoa. Tsy lavitra ny vahaolana amin’ny fifandroritan-kevitra. Tsy mila mpanelanelana avy aiza na avy aiza. Samy mitondra ny anjara birikiny.
Raha fehezina, mitaky fanetren-tena goavambe ny raharaham-pirenena ankehitriny.
r.r




