Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny raim-pianakaviana iray afakomaly alina tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Nitranga teo amin’ ny PK 10 + 100 digue Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny loza. Fiara 206, marika Peugeot, avy any Fenoarivo hihazo an’Antananarivo io niharan-doza io. Noentina raim-pianakaviana iray 36 taona, izay niaraka tamin’ny zanany lahy kely, vao efa-taona monja. Raha ny fantatra, nandeha mafy ny fiara ka tafavoaka ny arabe. Nivadibadika ary tafapetraka teny afovoan’ny tanimbary avy eo. Vokany, naratra mafy vokatry ny loza nahazo azy ny raim-pianakaviana, 36 taona, namily ny fiara. Raha toa ka tsy naratra kosa ilay zazalahy kely niaraka taminy tao anaty fiara. Noentina haingana teny
amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha izy mianaka saingy tsy tana ny ain’ilay raim-pianakaviana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy moa ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Faliarivo.
Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana sy miteraka famoizan’aina ny fandehanana mafy. Manentana hatrany ireo mpamily, ny mpitandro filaminana, mba hanaja ny hafaingam-pandeha eny amin’ny lalana. Hamafisina ihany koa ny fitandremana
ho an’ny rehetra, mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Mino




