Fidinana an-dalambe: Hitohy anio ny hetsiky ny Gen Z, olona telo naratra

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Mitohy ny fifanjevoana amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Vokany, olona telo naratra tamin’ny sabotsy.

Nanohy ny fidinana an-dalambe ny tanora avy amin’ny Gen Z teto an-drenivohitra, afakomaly. Miha­mafy hatrany ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Hentitra tamin’ny fandefasana baomba manda­tsa-dranomaso, ireto farany. Tsy nihemotra koa ny mpanao fihetsiketsehana niditra teny Anosy. Nikasa hiditra ny kian­jan’Ambohijatovo izy ireo. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ izy ireo sy ny lehiben’ny zandary nanao ny sakana. Naha­ritra minitra maro izany, na­saina nihemotra ny mpidina an-dalambe. Nangataka ny hiditra ny kianjan’Ambohija­tovo anefa ny tanora. Tsy nety niala izy ireo. Setrin’izany na­napoaka ny entona manda­tsan-dranomaso ny zandary.

Niafina tao amin’ny hopitaly

Manoloana izany, nanao tora-bato sy namerina ny en­tona mandatsan-dranomaso tany amin’ireo mpitandro filaminana ny mpanao fihetsike­tsehana. Tsy naharitra ela fa rava, samy nitsoaka namonjy ny ainy avokoa ny rehetra. Nisy ny nandositra tany amin’ny hopitaly Befelatanana. An­koatra izay, nisy ihany koa ny fandravana ny andiana mpanao fihetsiketsehana teny Anosibe, teo akaikin’ny Soli­Motel, hatramin’ny sabotsy hariva tamin’ny 5 ora. Olona telo naratra raha ny hita maso nandritra ny fidinana teny ifotony. Vehivavy iray naratra teo amin’ny lohany, vokatry ny fitifirana entona mandatsa-dranomaso. Vehivavy iray hafa torana, tsy nahatsiaro tena. Lehilahy iray naratra teo aminn’ny tongony. Tsy nahazoana antontanisa kosa ny teo ani­von’ny hopitaly HJRA Ampe­filoha, mahakasika izay olona naratra tsaboina eny an-toe­rana. Marihina fa nisy lehilahy roa voasambotra afakomaly. Nahatrarana flesy miisa 10 sy balam-pilesy vita amin’ny vy, miisa 50 tany amin’izy ireo. Hitohy androany ny hetsika.

Mino

 

Partager sur: