Anosibe Angarangarana: Lehilahy iray voaroba sy voatifitra

Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana tetsy Anosibe Angarangarana, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 10 minitra. Notifirin’ny jiolahy tamin’ny basy ary voa mafy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray 28 taona. Tonga nividy entana teo amin’ny mpamongady iray teny an-toerana io lasibatra io. Nividy lafarinina 15 gony sy vary 20 gony ary entana madinika isan-karazany teo amin’io tsena io izy, raha ny fanazavana voaray tamin’ny mpivarotra teny an-toerana. Teo am-pikasana handoa ny vola anefa, nipoaka indray mandeha ny basy ary voatifitra teo amin’ny tendany ilay mpividy entana. Nosintonin’ireo olon-dratsy ny kitapo nisy ny vola teny aminy ary lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo. Nifamonjena ilay lasibatra ary nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena taorian’ny antso.
Monina eny Androndrakely io lehilahy voatifitra io. Heve­rina ho efa narahin’ny jiolahy telo avy any izy. Nian­driandry sy nanara-maso ma­no­didina ny tsena ireo olon-dratsy ireo, araka ny sary voarakitra ao anaty “camera de surveillance”. Nanao Cache bouche sy akanjo ambony misy capuchon izy ireo. Nafenin’ilay jiolahy tao anaty gony, teny an-tanany, ilay basy nitifirany ilay lehilahy. Mitentina 5 000 000 Ariary mahery eo ny vola voaroba tany amin’io lehilahy io. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha.

Mino

Partager sur: