Niampy iray indray! Nisongadina nandritra ny « Wine Dark Short Film Festival London » ilay horonantsary « Débout! » an’i Felana Rajaonarivelo. Nahazo ny « Honorable Mention » niampy ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara ity horonantsary malagasy ity, tao amin’ny « Categorie Best Disability Narrative ». Fanintelony izao no nisongadina tamina « festival » tany Londres ny « Debout! » tamin’ity taona 2025 ity. Naneho ny hafaliany, noho izany, i Felana Rajaonarivelo, satria vao avy voafantina tamin’ny « London International Pan African Film Festival » ny horonantsary, farany teo.
Horonantsary fohy, maharitra 20 minitra monja, saingy mandona ny fon’ireo izay nijery rehetra nanomboka ny volana septambra 2022 nivoahany ny « Débout ». Tantarana vehivavy malagasy efatra, miaina ny tsy fahatomombanana ara-batana kanefa mioitra amin’ny fiainana no nasongadin’ny mpanatontosa. Ny risi-po, ny finiavana ary ny fanantenana no marimarina kokoa, ary izay indrindra no nandona ny fon’ireo mpitsara rehetra tamin’ireo « festivals » maro maneran-tany efa nisongadinan’ny « Debout! ». Nandeha tamina efitrano fijerena sarimihetsika malaza maro tany Etazonia. Tafiditra tao amin’ny « Festival international des films de femmes de Cotonou ». Nahazo loka roa nandritra ny « Emergence Films Festival » tany Lomé Togo. Voalohany tao amin’ny sokajy « Film on disability issue », nandritra ny « Caravan international Film Festival »… Santionany ihany ireo, ary mbola ho lava ny lalana ho an’ny « Debout ! ». Fandresena hatrany, fahombiazana tsy ho an’i Felana Rajaoanarivelo izay mpanatontosa irery, fa ho an’ireo vehivavy nasongadina anatin’ny horonantsary sy ho an’ny Malagasy amin’ny ankapobeny.
Zo ny Aina




