TARATRY ny KANTO

Hotanterahina anio, eny Mandikanamana Alasora, ny hetsika «Oniversitembahoaka», andiany faharoa. “Kolontsaina” no lohahevitra, izay hamelabelarana ny soatoavina, ny maha isika antsika ary ny anjara toeran’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ity hetsika karakarain’ny Zanabahoaka Manova Rasa (ZMR) ity.
Novelabelarina teny amin’ny Oniversite Ankatso, omaly, ny maha izy azy ny kolontsaina malagasy sy ny anjara toerany manoloana ny fihazakazaky ny fivoarana ara-teknolojia maneran-tany. Navoitra tao anatin’ity fotoana ity ny maha zava-dehibe ny fitandroana sy fikajiana ny harena ara-kolontsaina malagasy sy ny fampiasana ny teknolojia maoderina ho fanoitra amin’ny fampivoarana azy.
Nisy ny fihaonana tamin’ireo tanora nandray anjara tamin’ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny tanora izay natao tany Ekaterinbourg, tao amin’ny Masoivohon’ny Federasionina rosiana eto Madaga­sikara. Hetsika nampivondrona solontenan’ny tanora avy amin’ny firenena samihafa manerana izao tontolo izao. Anisan’ireo nasaina nanatrika izany i Ilia Konta­nistov, lehiben’ny Maison Russe eto Madagasikara.
Misongadina any Etazonia ny mozika malagasy. Anisan’ireo hofidina amin’ny “Boston Music Awards”, ao amin’ny sokajy “Afro/Caribbean Artist of the Year”, i Niu Raza. Efa misokatra ny fifidianana ary mifarana ny 16 novambra izao. Ireo Malagasy monina any Etazonia ihany anefa no afaka mifidy amin’ity fifaninanana ity, izay anaovan’i Niu Raza antso ny hanohanana azy.

Partager sur: