Anisan’ny boky tsy fahita firy ny «Voambolan’ny Baiboly», satria, namoha sy nampahatsiahy ary mamerina indray ny fananan’ny teny malagasy hery sy hasina lehibe. Ireo voambolana heno teny anivon’ny fiarahamonina, fahiny, no nanoratana ny Baiboly, tamin’izany. Ireny voambolana tsy faheno firy ireny no nangonin’i Rado Ramaherison ao anatin’ity boky ity.
Tao anatin’ny taona maro no nanaovana ny fikarohana. Trano fitahirizam-boky maro ihany koa no notsidihina. Tsy vitsy ireo mpahay momba ny teny malagasy no natonina, raha ny nambaran’ny mpanoratra. Noho izany, azon’ny rehetra ampiasaina any amin’ny sehatra misy ny tsirairay ny voambolana voarakitra ao. «Ny fanabeazam-boho sy ny fitadiavana ny very amin’ny teny malagasy no (n)atao zava-dehibe», hoy i Rado Ramaherison raha namintina ny tanjona tratrariny tamin’ny fanoratana ity boky ity izy.
Ho an’ny mpikaroka: «anisan’ireo boky mirakitra zava-tsoa ho an’ny taranaka any aoriana ny Voambolan’ny Baiboly, satria izy ireo no hanovo fahalalana ao anatiny. Hanapariaka izany any amin’ireo tontolo misy azy, izay mifandraika sy miara-dalana amin’ny fampiasana ny teknolojia».
HaRy Razafindrakoto





