Hetsiky ny Gen Z : Olona telo naratra, mpitsabo iray torana

Nahatratra telo ireo olona naratra nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitolona ao anatin’ny Gen Z sy ireo mpitandro filaminana, omaly, tetsy Anosibe. Mpitsabo iray ihany koa torana, sempotry ny lakrimozenina tamin’izany.

Nihazo an’Anosy ary nikasa hihazo an’Am­bohijatovo ireo mpitolona avy amin’ny Gen Z, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Efa niandry azy ireo teo Ambohi­dahy ny mpitandro filaminana. Nikasa hihazo an’Ambohija­tovo hatrany izy ireo. Tsy nijanona teo Anosy fa nifanjinja hatreny Anosibe ny roa tonta hatramin’ny omaly hariva. Nanao tora-bato sy sakan-dalana ary nandoro kodiarana ireo mpitolona, raha nandrava ny hetsika amin’ny alalan’ny fandefasana entona mandatsa- dranomaso kosa ny mpitandro filaminana. Vokany, maro ny naratra ho an’ny hetsika teny an-toerana. Lehilahy iray avy nirava niasa, handeha ma­monjy fodiana naratra teo amin’ny tongony.
Lehilahy iray hafa koa voatifitra teo amin’ny ranjony. Goaka be ny tongony, raha ny fahitan’ny mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo azy teny an-­toerana. Efa nentina eny anivon’ny hopitaly HJRA izy io taorian’ny nahavoa azy. An­kizikely iray ihany koa no hita naratra, teo amin’ny tongony. Amin’ny ankapobeny, voan’ ny pitika baomba lakrimoze­nina ireo naratra ireo. Mpi­tsabo iray torana, sempotry ny entona madatsa-dranomaso. Efa tonga teny an-toerana nandray an-tanana ireo naratra ireo moa ny mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo. Tetsy ankilany, lehilahy iray nanaovan’ny mpanao gazety fanadihadiana, saika nosamborin’ny zandary, teny an-toerana ihany.
Mpianatra ho mpitsabo
Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpianatra ho mpitsabo eo anivon’ny Fakiolte Médeci­ne, sy ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny FIRP manerana ny Nosy, omaly. Nihazo an’ Ano­sy ary nikasa hihazo an’ Ambohidahy izy ireo. Fanon­dro­tana karama, fanatsarana fotodrafitrasa ary fandraisana mpiasa no tena anton’ny fitakiana. Nisy ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana rehefa tonga teo Anosy hihazo an’Ambohidahy Raikitra ny fifanosehana teo amin’ny roa tonta. Vokany, mpi­anatra ho mpitsabo iray naratra vokatry ny tosika nataon’ny mpitandro filaminana. Nitohy izany, ary niafara tamin’ny fanaparitahana ireto mpianatra ho mpitsabo ireto tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Mbola hitohy androany ny hetsik’izy ireo, raha ny fanambarana nataon’ny avy amin’ny mpianatra mpitsabo.

Mino

Partager sur: