Nosakanan’ny mpitandro filaminana teny Anosy, ny hetsika nataon’ireo mpianatra ho mpitsabo sy ny mpomba ny Gen Z, nandritra ny fitakian’izy ireo ny zony, omaly. Nanao fidinana an-dalambe toy ny mahazatra azy izy ireo, nivondrona teny akaikin’ny farihin’Anosy ireo olo-malaza anaty tambajotran-tserasera sasantsasany sy ny mpanakanto. Nanao fanamiana fotsifotsy toy ny mahazatra kosa ireo mpianatra ho mpitsabo. Nizara roa mazava ny fitakiana nataon’izy ireo saingy natambatry ny kianja izany. Nangataka fotoana fohy sy ny toerana malalaka hanehoany ny heviny ny solontenan’ny Gen Z. Tetsy ankilany, mitaky ny zo sahaza ho azy ireo ny mpianatra ho mpitsabo. Niatrana teny an-toerana nanakana ireo mpanao fihetsiketsehana anefa ny mpitandro filaminana. Niparitaka avokoa ireo mpanao fihetsiketsehana taorian’ny fandravan’ny zandary sy ny polisy azy ireo. Tsy nisy ny voasambotra nandritra izany. Nilaza hanohy hatrany ny tolona ny fikambanana Gen Z ho an’ny anio. Marihina fa olona dimy, anisan’ireo nandray anjara nandritra ny hetsiky ny Gen Z, notanana eny Tsiafahy. Olona enina nahazo fahafahana madiodio, raha roa kosa arahi-maso ara-pitsarana.
Tsiferana R.




