Nahitana tsindron’antsy miisa 12 : Ramatoa iray nisy namono tao an-tranony

Hita faty tao an-trano fonenany, tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, afakomaly hariva, ny renim-pianakaviana iray, 72 taona. Notsetseman’ny olon-dratsy chiffon jaune sy nahitana tsindron’antsy in-12 isa ny vatany.

Nidiran’olon-dratsy tao an-trano fonenany, teny Ampivelezandrano, ny renim-pianakaviana iray, afakomaly. Teo anelanelan’ny tamin’ny 2 hatramin’ny 6 ora hariva ny fotoana namonoan’ireo tsy matahotody azy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zanaky ny maty. Mbola teo ambony fandriana ny tapany ambony ary tamin’ny tany ny tapany ambany, raha ny fahitana ny razana. Nahitana tsatok’antsy 12 isa ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Anisan’ny nahitana izany ny teo amin’ny tarehany, tratrany, hatony, tendany, lohany. Nahitana tsindron’antsy tena nilentika be ny teo amin’ny fihirifany havanana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ankoatra izay, mbola nosemporina tamin’ny ondana ihany koa io ramatoa io. Notsetsemana tamin’ny chiffon jaune ny vavany, nikainkona ny tanany, izay heverina fa nanohitra ny vono nataon’ny olon-dratsy azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola pension sy ny finday tao an-trano. Nikorontana be ihany koa ny trano nanaovan’ireo olon-dratsy azy.

Tsy hita nivoaboaka nefa nivoha ny trano
Tanàna lehibe sy somary mangingina ny nisy ity renim-pianakaviana nisy namono ity. Nisy mpiambina ny tanàna, nefa tsy nisy naheno ny zava-nisy izy ireo. Tsy nahita ilay ramatoa nivoaka ny trano sy nanao ny raharaha fanaony isan’andro ny mpiambina. Efa hariva ny andro, nanomboka niantsoantso ny mpiambina iray, saingy tsy nisy namaly nefa ny trano nivoha. “Niantso ny zanany io mpiambina io ary nasaina niditra tao an-trano fa sao marary irery ao i Mama”, hoy ny fitantaran’ny zanany lahy. Hatairana nefa no nisy satria efa ny fatin’ilay ramatoa no hita tao an-trano.
Nampandrenesina ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra Antanety II Vonto­vorona, nidina tany an-toerana ny zanaky ny maty, nipetraka aty Antananarivo. Tsy mbola misy ny olona ahina fa efa eo am-pelatan’ny mpitandro filaminana kosa ny raharaha.

Mino

Partager sur: