Anosy : Mpanendaka saika matin’ny daroka

Voasambotry ny mpandalo ny mpanendaka iray teo amin’ny toerana tsy lavitry ny Carlton Anosy, omaly. Mpian­dry taxi-be nijoro teo amin’ny fiantsonana no nanaovan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Nosintomin’io lehilahy io ny entana teny amin’ilay mpiandry fiara iombonana. Niantso vonjy avy hatrany anefa ny lasibatra. Tsy nitazam-potsiny ireo manodidina fa niara-nisambotra ny nahavanon-doza. Tsy lasa alavitra, araka izany, ity mpanao ratsy ity. Tratra ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy aza. Nigadona ara-potoana ny polisim-pirenena miasa ao Ampefiloha nisambotra ary niaro ny ain’ilay mpanendaka. Ny olona manodidina izay nikasa hanao fitsaram-bahoaka noho ny hatezeran’izy ireo. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy ilay mpanendaka. Tsy nisy na inona na inona lasany. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy aorian’ny fanadihadiana atao aminy, araka ny fana­zavan’ny sampandraharaha misahana ny serasera eo ani­von’ny polisim-pirenena.

Tsiferana R.

Partager sur: