Hetsiky ny Gen Z : Efatra ny olona voasambotra, dimy naratra ary roa hafa torana

Nihamafy ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpitolona avy amin’ny Gen Z, omaly. Vokany, efatra ireo olona naratra, roa hafa torana, ary efatra voasambotra. Efa navotsotra omaly ihany ny iray.

Nirefodrefotra ny entona mandatsa-dranomaso tetsy Anosy, Mahama­sina ary Anosibe, nanomboka tamin’ny 12 ora atoandro ha­tramin’ny hariva, omaly. Ni­kasa hihazo an’Ambohijatovo hatrany ireo mpitokona saingy noravan’ny mpitandro filaminana tamin’ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso. Nahatratra telo ireo olona voasambotra teny an-toerana, raha ny hita. Anisan’izany, i Mikolo, ilay tovolahy nitarika ny hetsika teny Tsiadana sy nalaza tao anaty tambajotran-tserasera. Efa navotsotry ny mpitandro filaminana moa ny tenany, omaly ihany, raha ny fanambarany.Ankoatra izany, nitohy ny hetsika ary nisy olona hafa koa voasambotra. Roa voasambotra tetsy Anosy ary ny iray tetsy Anosibe. Noho ny fisian’ny tora-bato sy ny fandefasana entona mandatsa-dranomaso, olona dimy naratra. Lehilahy iray naratra teo amin’ny tongony, voan’ny potika lakrimozenina, tetsy Anosy. Vehivavy iray hafa naratra teo amin’ny masony, tetsy Anosibe. Mpanao gazety roa naratra teo amin’ny tongony voan’ny tora-bato, raha ny fantatra. Zandary mpiana-draharaha iray koa naratra teo amin’ny lohany, tetsy Anosibe hatrany. Lehilahy iray hafa torana, voalaza fa noho ny fisamboran’ny mpitandro filaminana azy, tetsy Anosibe. Lehilahy iray hafa torana sempotry ny entona madatsa-dranomaso, tetsy Anosy. Efa nen­tina notsaboina teny anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha avokoa moa ireo tena voa mafy. Nifanao fotoana teo Antanimbarinandriana izy ireo, ny maraina tamin’ny 10 ora. Tonga ireo tanora avy eo ary nihodidina an’Anosy, nihazo ny Lapan’ny fitsarana ary ni­kasa hihazo an’Ambohijatovo.

Nandalo teny an-toerana ny Jly Ravalomanana

Nandalo teny Anosy ny filohan’ny Antenimieran­do­ho­lona, ny jeneraly Ravaloma­nana Richard, omaly tolakandro. Nidina avy ao anaty fiara izy ary nanatona ireo mpanao fihetsiketsehana. Nitsoaka avokoa moa ireto farany vantany vao nandalo tamin’ny fiara izy. Tsy naharitra ela fa niditra tao anaty fiara ity lehibena andrimpanjakana ity ary lasa avy eo. Niverina indray ny fifanjevoana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana, taorian’izay.
Hita teny an-dalambe ny mpanakanto sy ny sasany tamin’ireo influenceurs, nanatevin-daharana ny hetsik’ireo tanora.

Mino

Partager sur: