Lehilahy mpampiasa vola sandoka notanan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny biraon’ny polisy Analavory, ny talata 7 oktobra lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny kaominina Analavory fa misy tranga fiparitahana vola sandoka. Nanao fanadihadiana izy ireo. Noresen’ilay mpanao ratsy lahatra ny mpivarotra omby iray ka lasany ny omby. Nanararaotra nampiasa ny vola sandoka teny aminy anefa ilay mpisandoka nandritra ny fividianany ny omby. Tsy nisalasala nandray ny vola ny tompon’omby. Nanamarina ny vola rehetra voarainy izy taorian’izay. Tsikariny fa sandoka ny ankamaroan’ny vola nomena azy. Niantso avy hatrany ny polisim-pirenena ity farany. Nokarohina ilay mpisoloky. Tsy afa-nanda izy ary niaiky fa nampiasa ireo vola sandoka mitetina 1 700 000 Ar ireo. Tsy nitonona ny toerana nahazoany ny vola ilay mpisandoka. Nanohy ny fanadihadiana azy ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny kaomisaria Miarinarivo, ka nogiazana avokoa ireo vola sandoka ary ho dorana aorian’ ny fanolorana an’io mpanao ratsy io eny anivon’ny fitsarana. Marihina, iharan’ny sazy henjana ireo minia manamboatra sy mampiasa vola sandoka eto Madagasikara. Voararan’ny lalàna izany.
Tsiferana R.




