Hetsiky ny GEN Z : Nifarana tamin’ny tora-bato sy doro kodiarana

Nifampiraharaha nandritra ny adin’iray ora sy sasany tamin’ny mpitandro filaminana nanoloana ny farihin’Anosy, voasakana hatrany, ny fikasan’ireo Gen Z hihazo an’Ambohijatovo, omaly.

Niafara tamin’ny tora-bato, fandoroana kodiarana sy hikiaka na­taon’ireo tanora mpitolona ny hetsika Gen Z teny Antanim­barinandriana sy Anosy, omaly. Nifampitaona teny an-toerana ireo mpanao fihetsiketsehana. Niatrana tsikelikely teo Antanimbarinadriana izy ireo, nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany. Nivondrona ireo mpanao fihetsiketsehana ka nanampaka ny lalana mampitohy an’Anosy sy Ma­hamasina, nanomboka tamin’ ny 1 ora sy sasany. Niverin-dalana avokoa vokatr’izany ireo taxi-be sy fiara an’olon-tsotra. Nilanja sorabaventy, naneho ny tsy fankasitrahany an’i Frantsa eto Madagasikara ireo tanora ireo. Nangataka hitsaharan’ny herisetra sy ny vono an-kolaka atao amin’ireo mpiray tanindrazana aminy kosa ny mpitolona sasany. Nangataka alalana tamin’ny tomponandraikitry ny filaminana niatrana teny an-kianja mba hahafahany mihazo an’ Ambohijatovo ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Tetsy ankilany, nifampiraharaha am-pilaminana ny roa tonta ka ni­hemotra sy niverin-dalana ny ankamaroan’ireo mpitolona.

Nitora-bato
Nihamaro ireo mpanao fihetsiketsehana tonga teny Anosy, ny tolakandro tamin’ny 4 ora. Nosakanan’ny mpitandro filainana hatramin’ny farany ny fikasan’ireo mpitolona. Naharitra ora roa mahery ny nifampitazatazana tamin’ny mpitandro filaminana, nitora-bato tampoka ireo Gen Z, tamin’ny 4 ora sy 20 minitra. Nanao tari-dositra niverina nihazo an’i Mahamasina sy Ampefiloha avokoa ireo mpitokona ireo. Olona efatra naratra taorian’ny fipoahana. Ma­rihina, niantso fitoniana sy fampitsaharana ny fampiasan-kery ataon’ny zandarimaria ny kaomisera ambony miasa eo anivon’ny biraon’ny Firenena mikambana miaro ny zon’olom­belona, Volker Türk, omaly. Raha tsiahivina, maro ireo horonantsary niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera izay mirakitra vono sy daroka nataon’ny zandary nandritra ny hetsika Gen Z. “Tsy manaja ny zon’olombelona intsony ny ankamaroan’ireo fihetsika”, hoy ny mpanara-baovao. Anisan’izany, ilay vehivavy efa voasambotra kanefa mbola nodorana ny volony.

Tsiferana R.

Partager sur: