Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Compagnie régionale Fip Analamanga, tany Anjozorobe, afakomaly, ny lehilahy iray 50 taona. Voarohirohy tamin’ny fanolanana ankizivavy 13 taona izy.
Nofitahiny sy notambazany zavatra ilay ankizivavy. Rehefa izay, hoentiny any amin’ny toerana mangingina ary any no anamparany ny filan-dratsiny. Nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny ilay ankizy nony tonga tany an-trano. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay zaza ary fantatra nandritra ny fizahana natao taminy fa simba tanteraka ny taovam-pananahany. Tonga nitory sy nitoroka teny anivon’ny polisy moa ny ray aman-drenin’ny lasibatra, ny 7 oktobra lasa teo. Natao ny fikarohana ilay olon-dratsy ary tratra tao an-tranony tao Ambodimanga Anjozorobe izy. Nosamborina avy hatrany ary nentina eny anivon’ny sampandraharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny ankizy ary ny olona marefo, ao amin’ny kaomisaria foibe Sabotsy Namehana. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fanolanana sy herisetra ara-nofo ny hetsika.
Mino




