Nanjakan’ny dahalo tanteraka tao amin’ny tanànakely iray “ex Collège” manamorona ny reniranon’Ivoloina, ao amin’ny fokontany Ivoloina ihany, distrikan’i Toamasina II. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, misasakalina no niditra an-keriny trano fivarotana voalohany ny andian-jiolahy miisa folo mirongo basy poleta roa, raha antsy lava kosa ny ambiny. Vao tafasokatra ny varavaran’ireto mpivady tamin’ny tokatrano voalohany ireto, avy hatrany dia tifitra varirataka teo amin’ny lohan’ilay raim-pianakaviana nataon’ireo jiolahy. Nivantana tany amin’ny lohan’ilay ramatoa vadiny indray izany avy eo. Vokany maty tsy tra-drano ireo mpivady ireo. Noraofin’ireo jiolahy avokoa ny vola rehetra tao anaty fitoeram-bola sy izay rehetra azo noraofina. Nitohy tamin’ny trano fivarotana faharoa ny fandrobana, tsy nisy poa-basy fa daroka sy vono tombok’antsy niseho tao. Vokany, roa naratra mafy. Noho izay rehetra izay, nandositra ny tamin’ny trano fivarotana fahatelo ka tsy nisy olona intsony tao. Ny vola rahateo nentiny nandositra ka ireo entam-barotra sakafo anaty boaty, zava-pisotro no noraofin’ireo dahalo taorian’izay rehetra izay. “Nitsoaka nandositra nankany Ambodiriana ny lalan’izy ireo mandeha an-tongotra” hoy hatrany ny fanazavana.
Ny angom- baovao hatrany, tamin’ny telo ora maraina vao tonga tany an- toerana ny zandary avy ao Toamasina ary nanao fanarahan-dia fa saingy niverina ihany tamin’ny 8 ora fa tsy nahitam-bokany. Hatreto, mihorohoro tanteraka ny mponina ao an-toerana. Nandritra ny fanadihadiana, nilaza ireo naratra naheno ny feon’ireo dahalo.
Sajo




