Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny fivoriambe faha-29 ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA 10) ao amin’ny sahan’ny FJKM. Natao tamin’izany ny fiarahabana ireo mpiasa vaovao hiasa ao anatin’ny synodam-paritany. Mamokatra be, mamokatra tsara, mamokatra maharitra, izay no hafatra nentin’ny filohan’ny FJKM nandritra izany.
Anisan’ny iharan’ny fikorontanana noho ny hetsi-bahoaka misy eto amin’ny firenena ireo mpikarama mpanatitra entana. Efa fivelomana zary fiainana mahazatra azy ireo io. Tapak’andro maraina ihany sisa no afaka miasa. Mihena, araka izany, ny fidiram-bola.
Na olon-dehibe na ankizy dia miaina anaty tebiteby ao anatin’izao krizy lalovan’ny firenena izao. Henon’ny ankizy ny ahiahy sy tahotry ny ray aman-dreny sy ny manodidina azy. Mila fantenana ny sary sy feo mandalo ny sofin’ny ankizy mba tsy hiantraika aminy mafy ny donan’ny krizy.




