Nentin’ny tsy mataho-tody ny lohan’ny lehilahy mpiambina anatin’ny tanàna iray tao Vodifosa, distrikan’i Farafangana, afakomaly alina. Ny marain’ny alatsinainy, hitan’ny fokonolona nitsirara teo an-tanimboly ny vatan-dehilahy iray. Tsy nisy loha intsony io olona io, saingy tsy vaovao ho azy ireo ny firafitry ny vatany sy ny akanjo teny an-koditr’io lasibatra io. Voamarina fa mpiambina ny tanàna nahitana ny nofo mangatsiakany ihany ilay lehilahy. Tsy nisy nahatsikaritra na nahita ny zava-nitranga nandritra ny namonoan’ny tsy mataho-tody azy. Nokarohin’ireo mponina teo amin’ny faritra manodidina ny lohan’io maty novonoin’ny olon-dratsy io. Tsy hita ary mbola hifampitadiavana izany. Miantso ny mpitandro filaminana hijery ifotony ny tranga vono olona ao an-toerana ny mponina. Mandry tsy lavo loha manoloana ny tranga tahak’ ity nahafatesana mpiambina ity izy ireo.
Tsiferana R.




