Sambany ! Dimy mirahalahy be izao ny filoham-panjakana malagasy manomboka, omaly. Tafapetraka ny Komitim-pirenena miaramila sy sivily hoentina manarina an’i Madagasikara. Raha ny isa nambara ao anatin’ilay rafitra aloha dia mahavelombolo satria dia taratry ny fitsitsiana tokoa. Tsy hirobaroba ny mpitondra, hanao izay hanodinana ny raharaha.
Ny zava-dehibe aloha, dia mba tafajanona ny fitokonana lavareny, izay mpampikatso voalohany ny fampandrosoana. Mazava sy hentitra ny tenin’ny filoham-panjakana vaovao fa miverina miasa avokoa manomboka izao. Mila manodina ny toekarena isika, ho fitsinjovana ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona.
Tsara ilay toromarika fa eo amin’ny fanatanterahana azy izao no tena ilana olona mahasahy. Mahamenatra, mampalahelo, ary mahatonga saina ny fomba fiasa eny amin’ny biraom-panjakana. Halan’ny mpiasa ny mahita tomponandraikitra ambony sahy mijoro ho fanajana ny lalana mifehy ny asa. Tsy tian’izy ireo izany manaja fotoana sy miasa an-kitsim-po izany.
Novoizina tamin’ny fitakian’ny tanora ny hoe hanova manontolo sy ny rafitra. Samy miandrandra ny fiovana entin’ilay tolona ny rehetra. Tsy tokony hohadinoina anefa fa ireo mpiasam-panjakana maro be teny an-kianja anie ka tsy resy lahatra amin’ny fanatsarana izany. Anisan’ny nahatonga azy nitokona dia hialana amin’ny fijanonana anaty birao.
Tsy misy fahagagana anefa! Rehefa ny tsirairay no tsy mahatsapa tena dia herim-po very maina ny fanatsarana. Asa mety hisy anefa izany! Rehefa miaramila afaka ny hanao didy jadona no eo. Ilay Malagasy rahateo manko tia zavatra kiteritery izay rehefa misy hatahorany.
Izya rahateo angamba no fepetra mety ahafahantsika miova sy manatsara ny toe-draharaha iainana ankehitriny. Samy miandry izay havoakan’ny ampitso. Mila jadona ilay firenena.
r.r




