Notakina 50 tapitrisa Ar : Ramatoa natao takalonaina avotry ny zandary

Avotry ny zandary avy any Mahajanga sy avy ao Ankazomborona ny renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy takalonaina. Nokasain’ireo olon-dratsy natakalo vola mitentina 50 tapitrisa Ariary izy.

Voasambotry ny zandary ny zoma lasa teo, ny sasany tamin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’ny resaka fakana an-keriny ra­matoa iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anka­zomborona Amboromalandy, distrikan’i Marovoay. Avotra soa aman-tsara ny renim-pianakaviana iray manodidina ny 70 taona, izay nalaina an-keriny. Hita tamin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia avo lenta ireo olon-dratsy sy ny toerana nanafenan’izy ireo ny takalonaina. Nasitrika tao anaty alan’Ankarafantsika ilay ramatoabe nalaina an-keriny. Raha toa ka voasambotra tany amin’ny fokontany Ambo­himarina secteur Antsipoka (Ampitandrefana), kaominina an-drenivohitra Ambatoboeny kosa ireo jiolahy miisa fito.

Jiolahy roa naiditra am-ponja
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary mpanao famotorana, naiditra am-ponja vonjimaika ny roa tamin’ireo olon-dratsy ireo. Tsiahivina fa nalain’ireo jiolahy an-keriny tany amin’ny kaominina am­banivohitra Ankazomborona Amboromalandy, distrikan’i Marovoay tamin’ny zoma 26 septambra 2025 lasa teo, io renim-pianakaviana io. Na­hatratra 50 tapitrisa Ariary ny vola takalonaina notakin’ireo olon-dratsy tamin’ny fianakaviana. Nampilaza ny zandarimaria avy any Mahajanga mahakasika ny tranga ireo fianakaviana. Nandray andraikitra sy nandrafitra ny paikady rehetra izy ireo nahafahana nanavotra ilay renim-pianakaviana sy nisambotra ireo olon-dratsy. Miandraikitra ny raharaha ny avy amin’ny section des recherches criminelles avy any Mahajanga sy ny zandary avy ao Ankazomborona. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy mbola miriaria any, izay tena tompon’antoka amin’ny fakana an-keriny.

Mino

Partager sur: