Voadarodaroky ny fokonolona ny lehilahy iray voalaza ho nangarom-paosy teny Ambohipo, omaly atoandro. Nanararaotra ny hamaroan’ny olona nivezivezy io lehilahy io ka nisaka ny paosin’ny mpandalo iray teny amin’ny faritry ny “trois chemins”. Nikasa handositra avy hatrany io lehilahy nanao ny asa ratsiny io. Nihorakoraka ny lasibatra ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa alavitra, voasambotra ilay tontakely. Tsy nanaiky anefa ireo vatan-dehilahy nahasambotra azy. Nanararaotra nidaroka sy nanampatra ny hatezerany nanoloana ny fihetsika nataon’io mpangarom-paosy io. Naratra ny faritry ny tarehin’ity farany. Nentin’izy ireo nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana io lehilahy voasambotra io, omaly. Matetika lasibatra ireo mponina mivezivezy eny an-toerana saingy tsy tratra hatrany ny nahavanon-doza. Voararan’ny lalàna eto anivon’ny firenena ny fampiharana ny fitsaram-bahoaka. Tsy misy afa-tsy ny fampiharan-dalàna irery ihany no ahafahana mitondra fandrosoana ho an’ny tsirairay.
Tsiferana R.




