Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, afakomaly tamin’ny 7 ora sy fahefany hariva. Nitranga teo amin’ny toerana Antsampazana, Fokontany Andranokobaka, PK 6+200, ny loza. Fiara Peugeot 206 iray no nisongona tamin’ny toerana mampidi-doza. Nidona sy nifatratra tamin’ny fiara Kibota iray izay nifanenana taminy io fiara io noho izany. Vokany, lehilahy iray, 26 taona, maty tsy tra-drano. Olona efatra hafa naratra mafy, izay vehivavy ny roa ary lehilahy ny roa. Nentina teny anivon’ny hopitaly CHRD Moramanga avokoa moa ireo naratra rehetra taorian’ny tranga.
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny polisy avy amin’ny CSP Moramanga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny polisy avy ao Moramanga.
Misesisesy ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tato ho ato. Antony iray mahatonga ny loza ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola ary ny tsy fitandreman’ ny mpamily. Entanina hatrany mba hitandrina sy ho mailo ny tsirairay mba hisorohana ny loza ny tahaka izao.
Mino




