Fisafoana amin’ny alina : Mifanampy ny polisy sy ny andrimasom-pokonolona

Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony eny anivon’ny fokontany na Vaomieran’ny fandriampahalemana ny polisim-pirenena, notarihin’ny talen’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka, ny kaomisera Andrianalison Haminiaina, afakomaly. Manoloana ny tranga fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy nanomboka ny 25 septambra lasa teo, tsy mitsahatra manao ny asany ireo vaomiera eny anivon’ny fokontany mandrafitra ireo boriborintany enina eto An­tananarivo Renivohitra. Tsy mitazam-potsiny ny polisim-pirenena fa mifanome tanana amin’ireo tomponandraikitra eny anivon’ny fokontany. Manana paikady entina miaro ny vahoaka sy ny fananany amin’ny maha polisy azy ireo, manampy ihany koa ireo andrimasom-pokonolona mba hanamora ny asa sahanin’izy ireo amin’ny alina ny ekipan’ny polisim-pirenena. Tanjon’ izy ireo ny hisian’ny polisy saika manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de Police Randriambelo Mandim­bin’Ny Aina, izay nanamafy andro vitsy taorian’ny nanendrena azy, fa miaro ny vahoaka hatrany ny polisy. Tsiahivina, efa nizara fanamiana mitovy, jiro ary kiririoka ho an’ny an­drimasom-pokonolona miam­bina amin’ny alina ny polisim-pirenena, roa herindro lasa izay.

Tsiferana R.

Partager sur: