Hita faty tao anaty ranon’Ikopa, teny amin’ny Fasika Tanjombato, omaly tamin’ny 7 ora maraina, ny tovolahy iray tokony ho 23 taona. Vatana efa tsy nisy aina intsony, nikainkona ny tanany sy ny tongony no hita tao anaty rano.
Nahita vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano teny an-toerana ny mpitondra lakana, handeha hiasa maraina. Nakisak’izy ireo teny amin’ny sisin-drano ny razana taorian’izay. Avy niasa teny Tanjombato ary handeha hamonjy fodiana eny Tsimbazaza izy roa lahy, afakomaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Tsy tafody tany Ambatobe io namoy ny ainy io noho ny andro efa hariva. Nifanehitra sy novonoin’ny bandy anankitelo teo akaikin’ny tetezana Tanjombato. Nendahina sy notaritin’ireo olon-dratsy tao anaty rano izy roa lahy ireo. Nosemporin’ny roa tamin’ireo olon-dratsy tany anaty rano io tovolahy hita faty io. “Raha nifamono tamin’ilay mpiara-miasa amin’ny maty tao anaty rano ihany ny olon-dratsy iray hafa”, hoy ny fanazavan’ny mpiara-miasa taminy. Lasan’ireo olon-dratsy nitsoaka ny sakaosy sy ny finday teny amin’izy roa lahy tamin’izany.
Nokarohina hatramin’ny 9 ora alina
“Nikaroka an’i Eric (ilay namoy ny ainy) tao anaty rano aho hatramin’ny 9 ora alina fa tsy nahita. Lasa nody tany amin’ny ray aman-dreniko teny Tanjombato aho avy eo”, hoy hatrany ny mpiara-miasa tamin’ny maty. Niverina teny an-toerana nisehoan’ny ady izy, omaly maraina. Naparitak’ ireo olon-dratsy tamin’ny tany ny karapanondrony sy taratasy hafa. Omaly maraina ihany koa no nahitana ny vatana mangatsiakan’ilay namany tao anaty rano. Nampandrenesina ny polisy nanao ny fanadihadiana sy nijery ny zava-misy. Tonga naka ny razana sy nitondra azy tany amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH.
Misesisesy ny trangana tsy fandriampahalemana eny amin’io toerana io. Voalaza fa anisan’ny toerana mahamay amin’ny asa fanendahana sy vono olona eny. Miantso ny tokony hisian’ny mpitandro filaminana manara-maso eny an-toerana ny mponina, indrindra raha vao manomboka hariva ny andro, mba hahafahana misambotra ny olon-dratsy sy misoroka ny loza tahaka izao.
Mino




