Raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny aroloha fampiasa mitondra moto teny Ifarihy, distrikan’Atsimondrano, omaly. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra io lehilahy io, nitsirara tamin’ny tany. Niosin-dra sady simba tanteraka ny faritry ny tavany. Navelan’ireo olon-dratsy tsy lavitry ny toerana fanaovam-biriky izy. “Tsy mponina ety an-toerana io hita faty io”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray nanatri-maso ny fahitana ny nofo mangatsiakan’ilay niharam-boina. Araka ny loharanom-baovao, avy niasa io lehilahy io, ka nanararaotra nanao taxi-moto. “Ahina ho sendran’ ny olon-dratsy ity ka nohararaotin’ireo tsy valahara rehefa tonga taty amin’ny mangingina”, hoy ny mponina teny an-toerana. Nahitana tataka ny faritry ny tanany havia. Hita tsy lavitra ny fatin’io lehilahy io ny findainy niampy ny solomaso ary ny aroloha nampiasainy. Tsy hita ny moto nentiny. Nidina ifotony nanao ny famotorana teny an-toerana ny polisim-pirenena miasa ao Atsimondrano. Tao anatin’ny roa andro nifanesy, olona miisa telo hita faty vokatry ny asa ratsy ataon ’ireo olon-dratsy teto Antananarivo Renivohitra. Tovolahy vao erotrerony hita faty rehefa natsipin’ ireo mpanao ratsy teny Tanjombato, ny alakamisy 16 oktobra teo. Iray hafa koa, nosintomin’ny fokonolona tao anaty honahona teny Ampasika, ny harivan’io andro io ihany. “Manjaka loatra ny tsy fandriampahalemana ka miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fisafoana alina sy ny fandraisan’andraikitra izahay”, hoy ny solontenan’ny mponina eny Tanjombato. Ilaina ny fahamailoan’ny tsirairay hisorohana ny tsy fandriampahalemana tahak’ireo nitranga rehetra ireo.
Tsiferana R.




