Miverina ny asan-jiolahy ao Betroka: Zandary efatra maty voatifitra, nifandona tamin’ny dahalo

Lavo am-perinasa ny zandary miisa efatra tao Betroka, omaly maraina. Tompon’antoka tamin’izany ny andian-dahalo an-jatony

Mpitandro filaminana miisa efatra niara-namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Tanandava, kaominian Isoanala, distrikan’i Be­troka, omaly maraina. Dahalo an-jatony nitondra fitaovam-piadiana nanafika tanàna. Nentin’izy ireo ny omby an-jatony ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, tamin’ny 2 ora maraina. Nia­trana avy hatrany ny mpitandro filami­nana sy ny vatan-dehilahy ka nanao ny fanarahan-dia. Nifampitifitra nandritra io fotoana io ny zandarimaria sy ireo dahalo mpangalatra omby. Vokany, tsy tana avokoa ny ain’ireo zandary miisa efatra. Voa mafy teo amin’ny lohany ny iray raha toa ka tamin’ny faritry ny vatany ireo namany. Nisy naratra mafy ka voatery nentina anivon’ny toeram-pitsaboana, araka ny fanampim-baovao.

Olon-tsotra
Nandritra ny sakoroka, nisy tamin’ireo vatan-dehilahy nanara-dia namoy ny ainy. Mafy ny fifandonana tamin’ireo mpanao ratsy ka nananosarotra ho an’ny mpitandro filaminana ny nifehy ireo mpangalatra omby. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny tompon’omby sy ny fokonolona ary ny zandary. « Tsy fantatra mazava ny tena zava-nitranga. Ankoatra ireo zandary lavo, misy sivily maratra », hoy ny solombavambahoaka voafidy ao Betroka, Nicolas Randrianasolo, omaly. Mian­tso ny manam-pahefana ha­na­mpy isa ireo zandary misehatra eny an-kianja hisoroka ny asan-dahalo tahak’izao ireo mponina ao an-toerana. Andrasana ny fivoaran’ity vaovao ity.

Tsiferana R.

Partager sur: