Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsinanana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ ny Service Central Anti-Gang (SCAG) nandritra izany, ny jiolahy raindahiny iray. Malaza amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. Anisan’ny nanafika mpividy entana iray tetsy Anosibe Angarangarana ny 6 okotobra lasa teo izy io. Lasan’ izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 5 tapitrisa ariary. Naratra voatifitra teo amin’ny tendany kosa ilay lehilahy 28 taona lasibatra.
Naharay vaovao mahakasika ireo jiolahy tompon’antoka tamin’io fanafihana mitam-piadiana io ny polisy ny sabotsy maraina. Voalaza fa mihaodihaody teny Anosizato Atsinanana ireo jiolahy ireo. Nikasa sy teo am-panomanana fanafihana hafa indray. Tsy niandry ela fa natao avy hatrany ny vela-pandrika izay nataon’ny polisy nanao fanamiana sivily. Nitifitra ny iray tamin’ireo jiolahy rehefa nahatazana ny polisy. Namaly tifitra ihany koa ireo polisy ary raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Vokany, maty teo no ho eo ny iray tamin’ ireo jiolahy. Raha toa ka tafaporitsaka ny namany hafa. Nandritra ny fisavana, hita teny amin’io olon-dratsy lavo io ny basy iray niaraka tamin’ny bala miisa telo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo tafatsoaka ireo. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ny hetsika. Entanina hatrany ny olom-pirenena mahalala vaovao mahakasika ireo olon-dratsy mba hilaza any amin’ny manam-pahefana. Mba hahafahana misambotra sy mamongotra ny jiolahy.
Mino




