Fahafatesana mampiahiahy: Mpitaom-biriky roa niara-namoy ny ainy

Mpifankatia niaraka na­moy­ ny ainy tao amin’ny fokon­tany Tsarafirasaina, kaominina Ambano, distrikan’­ Antsirabe II, omaly. Niakatra tao ambonin’ny biriky vao hodoroana ireo olona roa ireo. Olona hiasa maraina no nahatsikaritra ny fisian’ny olo­na efa nitsirara tao ambonin’ny biriky. Nampandre ny ma­nodidina avy hatrany io nanatri-maso io. Niantso koa ny tomponandraikitry ny fo­kon­tany sy ny mpitandro filaminana izy io. Nivoaka faroratra miloko fotsy ny vavan’ireo olona roa namoy ny ainy ireo. Tsy nisy pataloha intsony ilay rangahy, raha toa ka nihinjitra teo ambony biriky ny sakaizany. Tsy afa-nialana nenina intsony izy roa ireo satria efa nangatsiaka tanteraka ny nofony. Ahina ho maty nandritra ny alina izy ireo. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Nisarona tamin’ny harona plastika lehibe ilay biriky nokasaina ho doroana. Ahin’ny mpitsabo nanao ny fitiliana ho sempotry ny fofom-biriky ireo mpisakaiza ireo. Na izany aza, tsy misy ny loharanom-baovao mari-pototra afaka manamarina ny antony nahafaty ireo mpitaom-biriky ireo. Mpo­nina avy amin’ny kaominina Ambano ilay vehivavy hita faty. Tsy fantatra ny fiavin’ilay lehilahy. Mandray an-tanana ny famotorana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Andra­sana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: