Ramatoa novonoina teny Vontovorona: Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza

Lehilahy iray 18 taona no nahavanon-doza namono nahafaty ilay renim-pianakaviana (72 taona) iray tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, ny 7 oktobra teo. Tsy namaly arahaba ny anton’ny famonoana.

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanety II, Vontovorona, afakomaly, ny olona telo mianaka. Nahitana renim-pianakaviana iray (54 taona), mpamboly sy ny zanany roa lahy (18 sy 20 taona). Samy monina eny Amba­tosoka, Vontovorona, fokontany Antanety II, Alakamisy Fenoarivo, distrikan’ Antana­narivo Atsimondrano, avokoa izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, na­ha­vanon-doza sy tompon’antoka tamin’iny vono olona feno habibiana iny ilay lehilahy 18 taona. Niaiky ny heloka nataony izy ary nanambara fa izy irery no niditra tao an-trano sy namono ilay ramatoa. Mbola izy ihany koa ny nangalatra ireo entana tao an-trano. Nahitana finday roa, Power bank roa, sac banane iray ary briquet iray. Nisy nampiasa ny laharana findain-dratompokovavy ary natao ny paikady nitadiavana azy io. Tamin’­ izany no nahafahana nisambotra ireo olona telo mianaka ireo.
Tsy namaly arahaba
Mifanena eny an-dalana matetika ary tsy mamaly ny arahaba nataon’ity nahavanon-doza ity mihitsy io renim-pianakaviana io. Antony na­mo­noany azy, raha ny fanazavana voaray. Tsiahivina fa nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-trano fonenany ny renim-pianankaviana iray. Nahitana tsindron’antsy miisa 12 tamin’ny vatany. Nosemporina tamin’ny ondana ary mbola notsetsemana tamin’ny Chiffon jaune ihany koa ny vavany. Tazo­mina sy atao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny zandary, hatramin’ny afakomaly, izy rehetra ireo. Hiakatra fampanoavana, anio, etsy amin’ny fitsarana ny raharaha. Vehivavy mpiambina tanàna iray no efa namoahan’ny fitsarana didy hiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanoavana ny 15 oktobra lasa teo.

Mino

Partager sur: