Natelin’ny ranomasina: Teratany vahiny hita faty

Raim-pianakaviana teratany vahiny hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranomasina tsy lavitry seranan-tsambo, amin’ iny Boulevard Ratsimilaho, omaly atoandro tamin’ny 1 ora. Nilalao ranomasina io lehilahy io ary nanararaotra nilomano mihitsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy hita tampoka anefa izy rehefa natelin’ny ranomasina taorian’izay. Minitra vitsy, natsikafon’ny ranomasina moramora ny vatan’io teratany vahiny io saingy efa tsy nisy aina intsony. Nifanome tanana ny nanatri-maso nisintona azy tao anatin’ny rano. Nivoaka faroratra miloko fotsy ny vavany. Miseholany ny tranga famoizan’ aina tampoka tao Toamasina sy ny manodidina tato ho ato. Olona miisa valo namoy ny ainy ary tampoka avokoa tao anatin’ny 48 ora. Maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny alahady 19 oktobra lasa teo ny telo. Namoy ny ainy nandritra ny lozam-pitanterana an-dranomamy tao amin’ny lakan-dranonin’i Pangalana, ny telo hafa. Lavo nandritra ny fanafihan-jiolahy azy tao Mangarano ny fahafito. Ny farany izay famoivoizan’aina vokatry ny filomanosana an-dranomasina. Miantso ny tomponandraikitra hanara-maso ny ady amin’ ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ireo mponina satria lasa gaboraraka izany tato ho ato.

Sajo

Partager sur: