Mpitondra kodiaran-droa iray namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny taxi-be, teny amin’ny fokontany Ankazobe, kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, omaly maraina. Nitaingina moto scooter, lehilahy iray sy vehivavy niaraka taminy ireo tra-doza ireo. Niala bisikileta teo alohany io moto io kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taxi-be izay nifanoha-dalana tamin’izy ireo, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso. Nipitika ireo olona roa nitaingina kodiaran-droa. Very ra be loatra ilay lehilahy noho ny fahavakisan’ ny lohany. Maty teo no ho eo izy. Naratra mafy kanefa mbola nisy aina, nifamonjen’ny fokonolona nentina teny amin’ny hopitaly ilay vehivavy. Fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny hopitaly kosa ity farany. Taxi-be anatin’ny zotra iray mampitohy an’Ambohijatovo sy Ambohimanambola io nifandona tamin’izy ireo io. Notanana natao andrimaso eny anivon’ny kaomisarian’ny polisy eny Alasora ny mpamilin’ilay fiara taorian’ny loza.
Ilaina ny fanamafisana ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro filaminana ireo mpamily fiara sy mpitondra kodiaran-droa, na an-dRenivohitra izany na any amin’ny faritra. Manao izay saim-pantany ny ankamaroan’ireo mpitondra moto ary misy amin’ireo mpamily fiara koa tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hamily ny ankamaroan’ireo mpivezivezy ary anisan’ny antony mampirongatra ny loza.
Tsiferana R




