Lozam-piarakodia mahatsiravina : Telo maty, sivy naratra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, dimy naratra mafy teny Iavoloha, omaly. Voafaokan’ny fiara 4X4 izy ireo. Olona roa maty, efatra naratra tany Tsiroanomandidy noho ny fivadihan’ny fiara nentin’olo-mamo.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Iavoloha, omaly, tamin’ny 2 atoandro. Fiara 4X4, marika Range Ro­ver, iray avy any amin’ny Rond point Iavoloha, hihazo ny renivohitra no nihavian’ny loza. Nandeha mafy ary tsy nahita ilay fiara vaventy nivoaka avy ao amin’ny tobin-dasantsy teny an-toerana izy io. Niala izany ny mpamily ka nifatratra ta­min’ny mpivarotra hani-masaka amoron-dalana iray. Mbola nandona andrin-jiron’ny Jirama ihany koa avy eo. Niisa enina ireo olona voafaoka tamin’izany. Voka­ny, maty tsy tra-drano vokatry ny dona mafy nahazo azy ny raim-pianakaviana iray (50 taona), izay monina any Ansirabe. Olona dimy hafa na­ratra mafy ary nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefi­loha. Nandray antso tamin’ny finday ny mpamilin’io fiara nihavian’ny loza io sady mbola nandeha mafy, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso teny an-toerana. Efa notanana natao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny polisy ny raim-pianakaviana (54 taona), izay mpanamory fiaramanidina namily ny fiara.
Olona roa hafa navadiky ny fiara
Fiara fitateram-bahoaka, marika Mercedes Benz, avy any Tsiroanomandidy hihazo ny tetezan’Imanga no niharan-doza tany amin’ny lalam-pirenena vaolohany Bis, afakomaly. Niseho teo amin’ny PK 58+900, teo amin’ny Bizo Amparihin’ny dobo, fokontany Ambohimarina, kaominina am­banivohitra Tsinjoarivo Iman­ga, distrikan’i Tsiroanomandidy ny loza. Hamonjy fiara simba no­ho ny olana ara-teknika iray izy io. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ny fiara ary mbola mamo ny mpamily. Nivilavila ny fiara sy nangalatra ny ankavian-dalana ary nivadibadika. Vokany, olona roa tao anatin’ny fiara maty tsy tra-drano, anisan’izany ny mpamily sy raim-pianakviana iray tao anaty fiara. Olona efatra hafa naratra mafy ary nentina nihazo ny hopitaly CHRR Tsi­roanomandidy. Fandehanana mafy sy fahamamoana teo am-pitondrana fiara ny anton’ny loza, raha ny tatitra voaray. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsinjoarivo Iman­ga, taorian’ny antso. Entanina hatrany ny mpamily fa tsy miaraka ny zava-pisotro misy alikaola sy ny familiana fiara.

Mino

Partager sur: