Nirefodrefotra ny basy tetsy Ankadimbahoaka, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra 2025 lasa teo. Jiolahy raindahiny iray, malaza amin’ny fanendahana sy fanafihana miaro herisetra lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service central Anti-gang (SCAG).
Nisy andian-jiolahy efa mihaodihaody teny amin’ny faritra Paraky sy Ankadimbahoaka iny. Nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso avy hatrany ny polisy manao fanamiana sivily taorian’ny antso avy amin’ny olon-tsotra. Nifanehitra tamin’ireo jiolahy nikasa handroba olona ireo polisy. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Nikasa hamely tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny jiolahy iray. Voatery nitifitra ny polisy ka maty tamin’izany ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo. Anisan’ny olon-dratsy mikambana ao amin’ny andian-jatovo mpanao fanafihana mitam-piadiana miaro herisetra sady lehibena mpanendaka io lavo io, raha toa ka tafaporitsaka kosa ny ambiny. Manentana ny mpiray tanindrazana hahasahy hitoroka mahakasika ireo mpanao ratsy mialokaloka eny amin’ny fiarahamonina ny polisy.
Mino




