Efa-dahy nandroba tetsy 67 Ha : Lehilahy maty voatsatoka antsy

Namoy ny ainy ny lehilahy voatrobaka nifanandrify tamin’ny fony, teny 67 Ha Atsimo, ny alin’ny alakamisy 23 oktobra lasa teo. Vola 2 tapitrisa Ar tsy hita.

Norobain’ny mpanendaka miisa efatra, voa mafy teo amin’ny faritry ny fony ka tsy tana ny ain’ny lehilahy iray, teny amin’ny faritry 67 Ha, afakomaly alina. «Nody niaraka tamin’ny vadiny io lehilahy io, tamin’ny 9 ora alina. Nitondra harona plastika feno entana izy», araka ny angom-baovao voarain’ny polisim-pirenena. Nan­dalo tamin’ny fiantsonan’ny taxi-be izay mitsofoka mihazo ny trano fikotranana Tony Club, nosakanan’ny efa-dahy tampoka io lehilahy io sy ny vadiny. Nanery azy mivady hanome ny harona plastika teny aminy ireo olon-dratsy. “Niezaka niaro ny tenany sy niaro ilay vadiny izy”, hoy ny mpitandro filaminana. Nam­piasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo mpanao ratsy ka voa teo amin’ny faritry ny tratrany ary nahazo ny fon’io lehilahy io ny tsatok’antsy. Nentin’ny tsara sitrapo tamin’ny alalan’ny taxi nihazo ny hopitaly HJRA izy. Tsy avotra intsony noho ny fahaverezan-dra be loatra. Naratra ny vadiny saingy tsy ahina ny fahasalamany.

2 tapitrisa Ar
Nandositra nitsofoka tanaty elakelan-trano ireo mpandroba taorian’ny asa ratsiny, araka ny angom-baovao. “Nisy vola mitetina 2 tapitrisa Ar very”, raha ny loharanom-baovao ihany. Miroso amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny mpitandro filaminana. Malaza ratsy ary anisan’ny voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny eny 67 Ha sy ny manodidina iny tato ho ato. Vono olona tsotr’izao, fanolanana, fanendahana miaro fandrobana saika samy nitranga teny an-toerana avokoa. Miantso ny tomponandraikitra hanamafy ny fisafoana amin’ny alina eny an-toerana ireo mponina.

Tsiferana R.

Partager sur: