Razana, vehivavy iray 31 taona, hita nilevina teo amoron’ny tatatra amin’ny sakeli-dranon’i Kibay, ao Benitompony, fokontany sy kaominina Alatsinainikely, disitrikan’ Analavory, ny talata 21 oktobra lasa teo. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny zandary avy ao amin’ny tobim-patitra Analavory, tamin’ny 09 ora maraina. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo avy ao amin’ny CHRR Miarinarivo. Hita faty nilevina eo amoron’ny tatatra ny vehivavy iray. Nosokirina ny razana ary efa mivoaka sy misy lanin’ny alika ny tongony, nandritra ny fizahana ny razana. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary, fantatra fa vehivavy 31 taona, mpivarotra sy nonina tany Ankadinondry, ao Benitompony, fokontany sy kaominina Alatsinainikely, io hita faty io.
Efa tsy hita nanomboka ny talata 14 oktobra 2025 io vehivavy io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Handeha hiantsena tany Analavory ny antony nialany ny trano ary tsy niverina intsony, izao hita faty izao. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io vehivavy io. Efa eo am-pelatanan’ny zandary avy eo amin’ny tobim-paritra Analavory kosa ny raharaha hahafantarana ny tena zava-misy marina.
Mino




