Very ny 1 tapitrisa Ar: Mpivarotra zava-pisotro voan’ny fandraikiraikena

Toy ireny voan’ny fandraikiraikena ireny ny mpivarotra zava-pisotro iray tany Maha­masina, fokontany Ala­ka­misikely, Antsampanimahazo, kaominina Ampahimanga, faritra Itasy, omaly tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Nihaodihaody sy nivezivezy tamin’ny mpivarotra roa samihafa nandritra ny alim-pandihizana iray tany an-toerana, ny andian-jatovo miisa dimy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola lafo rehetra (1 tapitrisa mahery) izay vidin’entana teo amin’ny mpivarotra iray. Mbola nalain’izy ireo koa ny zava-pisotro 15 isa tanaty tavoahangy namidy teo ambony latabatra. “Lasa tsy tompon’ny tenanay izahay rehefa nandalo teo ireo lehilahy ireo”, hoy ny fanazavan’ny mpivarotra lasibatra. Nambarany fa toy ny namafy zavatra ireo andian-jatovo ireo ka nahatonga azy ireo tsy tonga saina tampoka. “Efa lasa 15minitra ireo mpangalatra ireo vao tonga saina izahay, niezaka nanara-dia saingy tsy hita”, hoy hatrany izy.
Nampandrenesina avy hatrany ny zandary miasa ao Alakamisikely sy ny kartie mobile. Natao ny fanaharan-dia saingy tsy hita ny olon-dratsy. “Efa nisy ny olona ahiahina ka nanaovana fanadihadiana tsotra saingy tsy nahitana soritra tamin’ireo nanao ny asa ratsy”, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any an-toerana.
Entanina hatrany ny tsirairay mba hampandre ny zava-misy amin’ny mpitandro filaminana raha sendra misy trangan-javatra nampiahiahy. Efa eo am-pelantanan’ny zandary ao Alakamisikely ny tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana ahafantarana ny olon-dratsy.

Mino

Partager sur: