Nirehitra, omaly, ny tranon’i Nenilava, mpiandry manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiangonana Loterana. Sempotra sy may ny tovovavy 13 taona. Nahatonga izany ny afon-tsaribao tsy voafehy.
Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny toby Loterana Ambohibao, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 20 minitra. Izay toby fandraisana an-tanana ireo marary sy nipetrahan’iNenilava Volahanta Germaine, fony fahavelony. May kilan’ny afo tanteraka, nandritra izany, ny ankizivavy vao 13 taona. « Tsy nieritreritra hoe nisy aina nafoy fa fahasimbana entana fotsiny satria mbola teo izy nandritra ny famonoan’ny olona ny afo. Tsy hita tampoka anefa izay nalehany ary efa tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, izay vao nahatsiaro sy nahatsapa fa tsy tao izy », hoy Andrianasolojaona, raiamandrenin’ny toby Ambohibao. Izay vao nojerena ny tao anatin’ny trano rehetra may ary hita fa efa kilan’ny afo tao ilay ankizivavy, raha ny tatitra azo avy amin’ireo nanatri-maso. Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, manana olana eo amin’ny saina izy ka antony nahatonga azy niverina tao amin’ny trano efa nirehitra. Efitra valo tao amin’ny rihana faharoa sy efitra dimy tao amin’ny rihana voalohany no may kilan’ny afo tanteraka. Simba tao anatin’izany ihany koa ny fananana rehetra tao anaty trano. Manodidina ny 20 tafo teo ireo olona traboina vokatr’io haintrano io.
Nandrehitra afo
Nandrehitra afon-tsaribao andrahoana sakafo io ankizivavy namoy ny ainy io, izay no nitarika ny famaizan’ny trano. Nivoaka niantso vonjy tany ivelany izy taorian’izay. Tonga namono ny afo ireo fokonolona mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, tamin’ny 10 ora, taorian’ny antso. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Misesisesy ny trangana haintrano tato ho ato. Entanina hatrany ny olona mba hitandrina manoloana ny hafanana sy ny mety hiteraka haintrano. Ankoatra izay, mpivady miady ny antony nahatonga ny haintrano teny Ankazomanga, afakomaly. Olona fito niakatra fampanoavana, mahakasika ity farany, omaly.
Mino




