4×4 nifatratra tamin’ny hazo: Olona iray namoy ny ainy, roa hafa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahasivy, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahatelony tolakandro. Nitranga teo anelanelan’ny tanàna Ampihamy sy Antseva, kao­minin’Ankililoaka, distrikan’i Toliara II, ny loza. Fiara tsy mataho-dalana iray nitondra olona telo lahy no niharan-doza teo amin’ny lalana mahitsy sy nalalaka. Nandeha mafy ny fiara ary nifatratra tamin’ny hazo maniry iray tamin’ny sisin-dalana. Vokany, lehilahy iray, mpandeha tao anaty fiara, namoy ny ainy. Tafavoaka ny fiara ary nipitika lavitra ny toerana nisehoan’ny loza izy. Olona roa hafa naratra mafy, anisan’izany ny mpamilin’ny fiara. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, mbola tsy mahatsiaro tena ny mpamilin’ny fiara, hatramin’ny omaly hariva. Efa nentina tany amin’ny Dispensaire Maria Manjaka, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankililoaka ny naratra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankililo­aka.

Nandray zava-pisotro misy alikaola

Raha ny fanazavana voaray, nandray zava-pisotro misy alikaola ary mamo mihitsy ilay mpamily nitondra ilay fiara. Mbola nandeha mafy ihany izy tao anatin’izany ka tsy nahatana ny familiana intsony. An­tony nahatonga ny fiara nifatratra tamin’ny hazo. Anisan’­ ny mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Entanina hatrany ny mpamily tsy hampiaraka ny fisotroana sy ny familiana.

Mino

Partager sur: