Nitrangana fanafihana sy halatra omby tany amin’ny fokontany Akaja, kaominina ambanivohitra Antsiandro, disitrikan’ Antsalova, Bemaraha Atsinanana, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Lasan’ny dahalo, nandritra izany, ny omby manodidina ny 200 isa, izay ombin’ny mpikambana ao amin’ny Mada omby. Niainga ny alahady lasa teo avy any Antsalova, hihazo ny tsenan’i Tsiroanomandidy ireo omby. Nidina nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary sy ny fokonolona taorian’ny antso avy amin’ny tompon’omby, avy ao amin’ny kaominina Betsipolotra.
Ankoatra izay, omby 39 isa tafaverina amin’ny tompony tany Betioky Atsimo, afakomaly. Lasan’ny dahalo tany Mahangaza, kaominina lazarivo, distrikan’i Betioky Atsimo, ireo omby ireo. Natomboka ny fanarahan-dia ny omby, izay nizotra nankany amin’ny kaominina Ianapera, nataon’ny fokonolona sy ny voromahery ary ny zandary. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka navotsitr’ireo olon-dratsy ny omby. Mpanara-dia iray naratra voatifitra ary efa nentina any amin’ny tobim-pahasalamana.
Mino




