Mois : octobre 2025

Aleo hifanatrehana

  Hanao ahoana ihany ny fiainam-pirenena? Indrindra ny fiainam-bahoaka… Tsy mety tena misy ary maharitra izay fahamarinan-toerana politika. Nahoana? Ambaran’ny mpandinika sasany fa anisan’ny fototra sy fositra ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy mety ho kolontsaina ny fanajana sy fampiharana lalàna. Saika mibahan-toerana na mahazo laka ho azy mandrakariva ny fanaovan’ny sasany […]

Fitantanana fokontany : Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafaritra ny fifidianana

Tsy hotanterahina amin’ny alahady izao indray. Hahemotra amin’ny fotoana tsy voafetra ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny prefet Antananarivo. Tsy raikitra amin’ny alahady izao ny fifidianana filoham-pokontany eto Antananarivo, araka ny bai­kon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany. “Ny antony tena nahatonga anay nandray ilay fepetra, betsaka ireo mimenomenona. Betsaka […]

TSELATRA

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona hita narary tsy nahatsiaro tena teny Ivato, omaly. Nokarakarain’ny Kaominina Ivato, tamin’ny alalan’ny Departemanta Sosialy ny fitondrana azy teny amin’ny Hopitaly manara-penintra Anosiala. Noraisin’ny CSB II an-tanana ny vonjy aina natao taminy. Tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Ampandrenesina ihany koa ny fianakaviany […]

Natelin’ny ranomasina : Mpanjono roa lahy niara-maty

Namoy ny ainy ny roa lahy tamin’ireo mpanjono miisa dimy niara-nanarato tao Toa­­masina, ny alarobia 22 oktobra lasa teo. Niala tao Toa­masina, ny asabotsy teo, nandeha lakana misy maotera ireo mpanjono ireo ka nitodi-doha hiakatra an-tanety, io andron’ny alarobia io. Hitan’ny mpanarato handeha hiasa vao maraina nitsingevana ambony rano, milomano hamonjy […]

Andohan’i Mandroseza: Voaroba ny entana tao an-trano

Norobain’ny tontakely ny fatana mandeha amin’ny herinaratra, fitoerana firavaka sarobidy ary zavamaneno tao amin’ny tranon’ny mpianatra iray, teny Andohan’i Mandroseza. Tsy hitan’ny tompony izany raha tsy ny andron’ny alarobia 23 oktobra. Nandritra ny fikorontanan’ny raharaham-pirenena, namonjy ny ray aman-dreniny tany Toamasina ny tompon-trano noho ny fahatapatapahan’ny fianarana teny amin’ny Anjerimanontolo. […]