Mois : octobre 2025

Fiovana sy fanovana : Tsy voaresaka loatra ireo fototra maha firenena

Matetika ny tontolon’ny politika sy ny toekarena no misongadina. Ny olombelona hanatanteraka ny fiovana, anefa, tsy mahafantatra na mahafantatra ihany fa amin’ny ampahany ny momba azy. Noho izany, tsy tokony hamaivanina ireo fototra. Mila lamina mazava ny fampitiavana sy famerenana azy ireny indray eny amin’ny fiarahamonina. Tsy hita taratra loatra, […]

Efa nisy ny fakan-kevitra…: Hisy fivoriamben’ny mpanao mozika rahampitso

Toy ny sehatra rehetra, nahitana fifohazana ihany koa ny zavakanto. Maro tamin’ireo mpanao mozika no teny an-kianja nandritra ireny fihetsiketsehana ireny, ka tian’izy ireo hitohy amin’ny asa mivaingana izany. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny rahaharam-pirenena ihany koa ireo mpanakanto. Ho an’ ireo mpanao mozika manokana, maro izy ireo no tazana nilahatra, […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy hisy ny sary ofisialin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, araka ny nampahafantarin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, raha tokony hapetaka amin’ny biraom-panjakana izany. Natao izany ialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana sy ho fampiharana ny politikan’ny fitsitsiana. Hiverina hifampidinika amin’ny Sadc ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, rahampitso. Efa nisy ny fihaonana savaranonando […]

Praiminisitra sy ny masoivoho frantsay: Manohana ny tetikasan’ny governemanta i Frantsa

Manohana ny fitondram-panjakana. Nitsidika ny Prai­minisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsa­lama Andriamasy, teny amin’ny Lapam-panjakana Ma­hazoarivo, omaly, ny ma­soivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois. Teo koa ireo delegasionina notarihiny. Nosori­tan’ny Praiminisitra tamin’izao fifanakalozan-kevitra izao ireo lalantsaina sy vina hampanjariana ny fanavaozana sy ny fanarenana ny firenena. Ni­fantohana tanteraka ireo dingana ho atao mba […]