Mois : octobre 2025

TSELATRA

Nahitana taolam-paty maromaro tao anatin’ny farihin’Andranomaimbo, fokontany Antsenakely, omaly maraina. Nofonosina tao anaty bodofotsy ireo taolam-balo ary nalatsaka tao anaty rano. Mpanala tsikafona no nahita ny tranga sy niantso tomponandraikitra. Taolan-dava avy amin’y razana telo no hita rehefa nosavaina. Taolam-paty efa misy may ihany koa izany. Tonga teny an-toerana ny […]

3 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Mangarano II, parcelle 11/47 Carreau 4 A, tany Toamasina, afakomaly tamin’ny 3 ora ma­raina. Nirefodrefotra ny feom-basy. Notafihan’ny jiolahy miisa fito misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana (basy sy sabatra), ny tokantrano iray. Novakiny ny varavarana ary niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nodarohan’ireo olon-dratsy […]

Natelin’ny ranomasina: Teratany vahiny hita faty

Raim-pianakaviana teratany vahiny hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranomasina tsy lavitry seranan-tsambo, amin’ iny Boulevard Ratsimilaho, omaly atoandro tamin’ny 1 ora. Nilalao ranomasina io lehilahy io ary nanararaotra nilomano mihitsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy hita tampoka anefa izy rehefa natelin’ny ranomasina taorian’izay. Minitra vitsy, natsikafon’ny ranomasina moramora ny vatan’io teratany vahiny io […]

AJE : Mitaky fampiharan-dalàna ho an’ireo nandika lalàna

Miantso ny tomponandraikitra hampihatra ny lalàna amin’ireo mpanondrana ny harem-pirenena antsokosoko ny fikambanan’ny mpikirakira tontolo iainana (AJE), tetsy Ambohidahy, omaly. Manararaotra ny savorovoro teto anivon’ny fi­renena, olom-boafidy iray anisan’ny nanao heloka bevava noho ny fanondranana sokatra aman-jatony efa ni­voaka sahady ny fonja, amin’ izao fotoana. Manaitra ny tomponandraikitra manoloana io […]