Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tetsy Ambatomaro, ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Nikasa hamoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy izy ireo ary saika hamely ireo mpitandro filaminana.
Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambatomaro ny alin’ny alarobia 29 oktobra lasa teo. Jiolahy roa lahy anisan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny manodidina ny boriboritany fahadimy maty voatifitra. Nikonokonona fanafihana teny Ambatomaro ireo olon-dratsy ireo. Naharay loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo sy vokatry ny angom-baovao noho ny fahaiza-manaony ny polisim-pirenena. Nigadona teny an-toerana, araka izany, ny ekipan’ny USI. Nanara-maso ny toerana manodidina izay voatondro ho nieren’io fikambanan-jiolahy io ny mpitandro filaminana. Nikoropaka ireo mpanao ratsy vantany nahatazana ny polisy. Raikitra ny fanenjehana.
Namoaka fitaovam-piadiana
Namoaka fitaovam-piadiana ireo mpandroba ka nitifitra ny mpitandro filaminana. Namaly noho izany ny polisy. Maty teo noho eo ny roa tamin’ireo tsy valahara. Latsaka teny aminy ny fitaovam-piadiana toy ny basy poleta niampy antsy. Nandositra avokoa ny naman’ireto farany. Niezaka nanao hazalambo ny ekipan’ny USI saingy tsy hita popoka ireo mpanao ratsy. Naterina eny anivon’ny tranom-paty HJRA ny vatana mangatsiakan’ireo lavo. Mitohy ny ezaka ataon’ny ekipan’ ny polisim-pirenena manoloana firongatry ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra sy ny faritany.
Tsiferana R.




