Hotanterahina ny 19 hatramin’ny 21 novambra, etsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavoloha, ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hetsika karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Madagasikara. “Manana anjara biriky entina hampandrosoana sy hanarenana ny firenena ny kristianina”, hoy Rabenifara Désiré, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana FMBM. Mahatratra 10 ny lohahevitra hodinihina eny an-toerana, mandritra ny herinandro. Anisan’izany, ny momba ny fianakaviana, ny fanabeazana, ny politika, ny toekarena, zavakanto, teknolojia ary ny tontolo iainana. “Sehatra manan-danja ireo ao anatin’ny firenena, indrindra manoloana ny zava-misy iainantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao”, hoy Randrianasolo Tiana Harimina, komity mpikarakara.
Andrasana ho avy hanatrika izany ny kristianina rehetra anatin’ny fiangonana sy ny fikambanana isan-tsokajiny. Hisy ny fehinkevitra entin’ny kristianina, hahafahana mampivoatra sy mampandroso ny firenena aorian’ny fotoana. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo rehetra liana. 50 000 Ariary ny fandraisana anjara mandritra izany. Ankoatra ireo izay tsy afaka manatrika, azo arahina amin’ny alalan’ny “liens zoom” ihany koa ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny Baiboly sy ny faha-60 taonan’ny fikambanana FMBM ny hetsika hatao.
Mino




