Nisy hetsika, andrana, natao ho fiatrehana raha sendra misy loza mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo Ivato, ny 31 oktobra teo. Natao araka ny fitsipika ana habakabaka eto Madagasikara, apetraky ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM) sy ny Vondrona misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily iraisam-pirenena (OACI) izany. Nahafahana nanatanteraka ny Rafi-pitantanana ny aro loza sy ny fandrindrana ny drafitrasa amin’ny lafiny vonjy taitra ny hetsika.
Maherin’ny 350 ny mpisehatra eny amin’ny seranan’ Ivato nandray anjara. Nahitana ireo tomponandraikitra rehetra amin’ny vonjy taitra, anisany ny BNGRC. Nahafahana nandrefy ny fe-potoana fiarovana sy ny aro loza, ny fikarakarana ny niharam-boina izany. Nohamafisina ny fifanakalozam-baovao amin’ ny fotoana itrangan’ny loza ao anatiny sy ivelan’ny seranam-piaramanidina. Notombanana ny zava-bita taorian’ny hetsika, nakana ny traikefa tsara sy ny tokony hatsaraina, entina hanavaozana ny Drafitrasa vonjy taitra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Daniel Lefebvre, fa « anehoana ny fahavononany mitsinjo mialoha ny loza mety hitranga sady miomana amin’ ny fiatrehana izany ny hetsika. Tanjona ny hiantohana sy ny fiarovana ny mpandeha, ny mpiasa ary ny asa atao ».
Njaka A.




