Tao anatin’ny andro vitsy, lasibatry ny fahatapahan-jiro ny ankamaroan’ny fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Omaly, efa intelo tapaka farafahakeliny ny herinaratra, izay samy naharitra manodidina ny ora roa avokoa. Mbola tsy tafiditra ao anatin’izany ilay fahatapahana maharitra ny hariva. Nilaza ny Jirama fa miiba tanteraka ny haavon’ny tohodranon’Andekaleka izay mamokatra ny ampahany betsaka amin’ny herinaratra vatsiana eto amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ka mahatonga ny delestazy. Milina iray amin’ireo efatra sisa no mihodina mandritra ny ora mahabe ny filana, ny hariva, mamokatra 24MW monja raha tokony ho 30 MW isaky ny milina izany.
“Hikorontana ihany koa ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-drenivohitra, anio manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny tolakandro, noho ny fampifandraisana fantsona mankany Ambohidempona”, hoy ny Jirama. Maharitra adiny valo eo ny asa atao ka voatery hatsahatra ny fihodinan’ny ampahany amin’i Mandroseza. Hiverina tsikelikely miandalana kosa ny famatsian-drano rehefa tontosa ny asa atao.
Henintsoa




